..........
Rehefa mandravina betsaka toa izao ny Tsaramaso VAZ50 dia tsy ho 50 andro izy izay fa mety hihoatra ny 60 andro vao vokatra satria nitombo ny fe-potoana nanaovany ny phase végétative, izay fotoana analehibeazany ny tahony sy amokarany ravina. Lasa tara ny fotoana amelanany sy amoazany.
Ireto no antony mahatonga izany
1- Betsaka zezika loatra na betsaka azote ny zezika nampiasaina. Ny azote mantsy no tompon'andraikitra amin'ny fahabetsahan'ny ravina. Izany no maha tara ny famelanana.
..........
2- Rehefa feno loatra ny fepetra dia tsy mijanona mamokatra ravina sy taho ny tsaramaso alohan’ny hamadihany ny tahiry ho lasa felana. Tsy midika anefa io fa ho vitsy na kely ny voany fa saingy tara fotsiny vao tonga.
.........
3- Rehefa mifanakaiky ny fototry ny tsaramaso kanefa dia lasa miteraka aloka ny ravina betsaka ka tsy tonga any @ fotony ny masoandro hanaitra ny fotony hamelana. Lasa mikorontana ny photosynthèse ka tara vao mamelana.
..........
4- Raha nafàna loatra na nangatsiaka loatra mitaha amin'ny maripàna tadiaviny ny rivotra dia mahalava ny fotoanan'ny famokarana ravina izany ary maza hoazy fa mahatara ny famelanana.
..........
Mba hisorohana ireo dia ireto no atao amin'ny fambolena tsaramaso VAZ50 amin'io toerana io : - Ahena ny fatran'ny zezika betsaka azote toa ny taimbiby. - Atao amin'ny toerana ampy masoandro maharitra no ambolena azy. - Ampitomboina ny elanelana manasaraka ny fototry ny tsaramaso hahafahan'ny hazavàna mitaratra ihany koa ny fotony tsy ho takonan'ny ravina. - Atao régulier ny fanondrahana fa tsy indraindray betsaka dia misy fotoana vitsivitsy tsy voatondraka. - Tsy tapahana ny ravina betsaka salama satria ilaina ireny @ fitehirizany ny sakafo havadika voa.
Fanamarihana
Tsy hoe betsaka ravina dia ho vitsy voa satria miantoka ny fahabetsahan'ny felana sy voa iny rehefa mipoitra sahaza ny felana avy eo.




Le partage est disponible sans connexion.
Commentaires
Connectez-vous avec votre numéro de téléphone et votre mot de passe pour consulter les commentaires et participer à la discussion.
Se connecter · Devenir membre