Acte III
Mihamafy ny hetsika ataon'ny mpianatry ny Lycée ao Frantsa. Tonga nanatevin-daharana ny mpampianatra, ny ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny mpianatry ny Universités sasany.
Famintinana ny zava-nisy
Araka ny tarehimariky ny Ministeran'ny Atitany dia 266 000 ny isan'ny mpandray anjara manerana an'i Frantsa, izay nisy 56 000 tao Paris renivohitr'i Frantsa. 450 000 kosa no isan-dreo hoy ny mpikarakara ny hetsika ary 100 000 ny tao Paris. Filaharam-be na kôrtezy tao Paris, Marseille, Lille, Lyon, Strasbourg, Toulouse, Rennes, Nîmes ary Clermont-Ferrand. Toeram-pianarana Lycée miisa 891 no nikorontana hoy ny tompon'andraiki-panjakàna Frantsay. Anisan'ny fitakian-dreo moa dia ny hanomezana moyens amin'ny sehatry ny fampianarana, hanoloana na hanasiana mpampianatra amin'ny taranja sasany tsy misy mpampianatra intsony, hampihenana ny isan'ny mpianatra ao anatin’ny efitranom-pampianarana iray, fanatsaràna ny sekoly sy fitaovan-tsekoly ary ny trano fidiovana sy ny tariny, fanavaozana ny rafi-pampianarana. Saika nilamina ny filaharana tamin’ny ankapobeny na dia nisy ny fifandonana teo amin'ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana tao Paris izay nanamborana mpigevy 488 isa.
Valiny politika
2 herinandro aty aorian'ny nanombohan'ny mpianatra nigrevy dia nandray andraikitra ny Praiminisitra Frantsay ny hihaona amin'ny mpianatra ny 07 ka hatramin’ny 09 oktobra 2026. Mihaona amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony ny mpianatra ny 07 oktobra 2026. Nanamafy ny mpianatra fa raha tsy azo antoka ny fandraisana andraikitra ataon'ny mpanao politika dia hihamafy ny grevy.
Vokatry ny grevy
488 ny mpianatra voasambotra satria voasokajy fa mety ho nanakorontana. 43 ny mpitandro filaminana sy pompiers naratra. 891 @ 3 700 ny sekoly nikantona manerana an'i Frantsa, izany hoe 24.1 % hoy ny Fanjakàna fa 1 800 na 48.6% isa kosa hoy ny mpigrevy.

Le partage est disponible sans connexion.
Commentaires
Connectez-vous avec votre numéro de téléphone et votre mot de passe pour consulter les commentaires et participer à la discussion.
Se connecter · Devenir membre