"Acte deux"
Nanomboka androany dia nanampy ny mpianatry ny Lycée mitokona ny mpianatry ny Université ao Frantsa. Mangataka ry zareo ny hamenoana ny isan'ny mampianatra izay banga, mila kolokoloin'ny Fanjakàna ny sekoly ary atao sahaza ny saram-pianarana. Campus 30 mahery no mikorontana androany any Paris, Strasbourg, Marseille, Lyon 2, Reims, Poitiers, Nanterre. Sambany tamin’ny tantaran'ny mpianatra Lycée sy Université no niaraka nitokona sy nanao izwlao fitakiana izao.
Tsy misy mihaino
"Tsy mihaino anay ny Fanjakàna, ka voatery eny an-dàlana izahay no maneho hevitra", hoy ny mpianatra. "Potika ny ho avinay", hoy ny sasany. "Tsy manana mpampianatra izahay, kanefa terena hiditra amin'ny 8ora maraina ary mirava amin'ny 6ora hariva", hoy ny mpianatra sasany. Sekolim-panjakàna miisa 356 manerana an'i Frantsa no mikantona ny alarobia 30.09.2026 raha mbola 338 izany tamin’ny talata 29.09.2026, hoy ny Ministeran'ny Atitany.
Famintinana ny androany 01.10.2026
- Mpianatra 1 949 isa no nosamborin'ny mpitandro filaminana manerana an'i Frantsa nanomboka tamin’ny alatsinainy. - 305 ny isan'ny mpitandro filaminana (polisy sy gandarma) naratra. - 170 ny isan'ny mpianatra naratra noho ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana. - 65 ny isan'ny mampianatra naratra izay misy Proviseur 20 isa. - 900 mahery ny isan'ny sekolim-panjakàna mikorontana.






Le partage est disponible sans connexion.
Commentaires
Connectez-vous avec votre numéro de téléphone et votre mot de passe pour consulter les commentaires et participer à la discussion.
Se connecter · Devenir membre